Tetikasa iray lehibe iarahantsika manamboatra ny rakipahalalàna (encyclopédie)
malagasy amin'ny internet. Raha tianao dia azonao atao ny misoratra ho
mpikambana.
Mba hahazoantsika sary an-tsaina hoe ahoana ny momba ny wikipedia dia
azontsika jerena ny amin'ny teny frantsay sy amin'ny teny anglisy.
Raha misy fanontaniana na sosokevitra dia mandehana eto na eto.
Ny Hasina dia manana heviny efatra loha teo amin'ny Ntaolo: Hery tsy
hita maso ny hasina ka ireo andriana, mpanandro, mpisikidy,sy ireo
zavaboaharin'andriamanitra toy ny zazavavindrano, kalanoro, vazimba,
ireo sampy, sns...izay afaka manova ny fiainan'ny olombelona no manana
azy. Marihina fa ny loharanon'io hery io dia Andriamanitra
andriananahary sy ny razana.
Mety ho faty na hihalefy na very ny hasina raha toa ka voaota fady izy
ka ataon'ny ntaolo hoe « maty hasina » na " very hasina". Sarotiny
amin'ny hasiny ary ny Ntaolo ka mifady zavatra maro na koa manao ny
fandroana amin'ny voalohan'ny taona mba hitombo hasina indray.Ary raha
mandeha amin'ireny olona na zava-manakasina ireny dia hoy ny
fiarahabany sy ny firariany: " masina anie ianao".
Manaporofo izany, ireo anaram-bohitra na anaran-javatra misy ny teny
hoe " hasina" na "masina" dia saika ireo tanàn'andriana na mifamatotra
amin'andriana. Ny lapan'i mpanjaka Rabiby tany Ambohitsitakatra ao
Anjozorobe dia « fonohasina » no anarany. Ireo mpanjaka kosa rehefa
miamboho dia atao hoe « ny masina » no iantsoana ny taolambalony ary
ny tendrombohitra anafenana (andevenana) ireny taolambalon'ny mpanjaka
ireny no atao hoe "tendrombohitra 12 masina", ary ilay trano kely eo
ambonin'ny fasan'ny mpanjaka merina no atao hoe « trano masina » ( «
trano manara » no iantsoana ny amin'ny fasan'andriana tsotra).Ary ny
mpanjaka isan'ny telo lehibe taty Imerina dia « Andriamasinavalona »
no anarany. Midika hatrany izany fa ivon'ny fomba fijerin'ny Ntaolo
izao tontolo izao ny hasina.
Tetikasa iaharahana manamboatra raki-pahalalàna malalaka i
Wikipedia. Mba hantsara ny lahatsoratra fohy kely ary tsy ampy
fampahalalana tahaka ireo lahatsoratra lava be fa saingy be hadisoana
isan-karazany, dia nosokafana ny fizarana "fiarahana miasa" : 
Azo ampiasaina araka ny fepetra apetraky ny lisansa Creative Commons
Attribution/Share-Alike ; Mety misy ny fepetra fanampiny
mihatra. Jereo fepetram-pampiasana ho an'ny antsipirihany.
Raha misy afaka manampy dia maika indrindra ny fandikana amin'ny teny
malagasy ireo teny rehetra miasa amin'ity fitaovana ity. Jereo eto ary
dia mametraha sosokevitra amin'ny dinika (talk) isaky ny teny.

